Diapason est un « think tank » qui veut poser des questions, nourrir le débat, valoriser les initiatives et favoriser l’innovation socio-économique et politique pour le développement de Madagascar

Rechercher
Fermer ce champ de recherche.

Publications thématiques

diapasonmadagascar@gmail.com

Safidy Matotra Sady Tsy Miangatra (Mdg)

Famintinana

Ny fahatokisantena akory tsy midika ho fahaizana…

  • iza amin’ny roa tonta no mahay-tena-mahay fa tsy bado-mihevi-tena-ho-mahay fotsiny?
  • inona no zavatra mivaingana izay azo itarafana ny traikefa na fahaiza-mitantana ananany?
  • iza no nahay nisintona lesona sy nanetry tena tamin’ny vita taloha ka sahy nanova famindra?
  • iza no manome lanja ny fihavanana sy ny firaisankina ary tsy mampirisika ny fisaraham-bazana?
  • iza no manana tetika na vina matotra sy azo tanterahina anatin’ny fotoana voafetra tsy nofinofy misavoandanitra fotsiny?

 

 

–§–

 

Mpanoratra

Soamiely Andriamananjara sy Manitra A. Rakotoarisoa

 

Efa betsaka ihany raha izay mpitondra nifanesy teto nandritry ny enimpolo taona latsaka kely naha-repoblika ity nosy mamintsika ity izay. Samy nilaza fa nanana vaha-olana ho an’i Madagasikara izy ireny. Samy nampanantena fivoarana sy fandrosoana faran’izay haingana sy maharitra.

 

 Harinkarena faobe an’i Madagasiakra 1950–2016

 

Hatramin’izao anefa, na iray aza dia tsy mbola nisy nahavita nanatsara ny farimpiainan’ny Malagasy mandritry ny fotoana maharitra. Isaky ny mba nisy masoandro nihiratra kely dia tonga foana ny sakoroka sy ny korontana ka rava ho azy izay mba saika tafajoro. Tsy mba nisy navela hahazo faka izay tsimo-pandrosoana nikelezan’aina sy nimatimatesana.

Mazava loatra fa maro ny fanontaniana mipetraka: Fa tena tsy misy Malagasy mahay sy mahavita manaisotra antsika avy ato anatin’ny lavaka lalina misy antsika izao tokoa ve? Raha tsy misy izany, inona no fanantenana? Raha misy izany, maninona ary no toa tsy mba izy ireny fa olona tsy mahay na tsy mahavita azy foana no toa fidiantska hitondra ny tany sy ny fanjakana? Misy teoria tianay aroso izay mety afaka manampy antsika mamaly ireo fanontaniana ireo.

Faran’izay tsotra ilay resaka. Isika angamba samy mahafantatra olona izay hita izao fa tsy mahay ny asany kanefa mbola mikiribiby milaza fa tena mahay ihany. Firifiry tokoa moa ny olona tsy mahafehy taranja iray mihitsy kanefa milaza azy ho manam-pahaizana na matihanina na expert amin’io taranja io. Misy amin’izy ireny no mpandainga na mpisandoka mari-pahaizana, fa tsy izy rehetra akory. Misy tokoa ny tena mihevitra ny tenany ho faran’izay sangany sy resy lahatra fa zokin’ny havànana na dia iaraha-mahita aza fa tsy dia mahay na zara raha mahay satria tsy azony an-tsaina mihitsy ny habetsaky ny zavatra tsy hainy. Arakaraky ny hakelin’ny fahaizanao tokoa matetika no hiheveranao fa betsaka ny zavatra fantatrao, ka mahatonga anao hieritreritra fa voafehinao tanteraka ilay taranja (kisary: miala avy eo afovoany dia miakandrefana).

Ny fahatokisantena akory tsy midika ho fahaizana

 

Etsy andaniny indray kosa dia arakaraky ny fitombon’ny fahaizanao matetika no mampazava aminao fa mbola betsaka ny zavatra tsy hainao sy hahaizanao ny fetran’ny fahalalanao. Rehefa mitombo ny fahaizana sy fahalalana dia mety mihena tokoa ny fahatokisan-tena (kisary: avy eo amin’ilay tendropika andrefana ka miantsinanana). Izay no mahatonga ny sasany amin’ ny olona mahay (satria nahita fianarana ambony ohatra na manana traikefa avo lenta) no tsy mba misehoseho izany fa toa mimpirimpirina ka heverin’ ny hafa ho bonaika na bado. Marihina kosa anefa fa raha mbola mitombo ihany ny fahaizana dia mety hiverina hiakatra indray ny fahatokisantena (kisary: avy eo afovoany no manohy miantsinanana)

Mahagaga tokoa fa ny olona tsy tena mahay matetika dia mampiranty fahatokisantena be kokoa noho ny olona mahay. Ny bado mieritreritra ho mahay, ny mahay kosa mihevi-tena ho bado. Tranga tsy ampoizina loatra kanefa dia hita amin’ny lafimpiainana maro io paradokisa antsoina hoe Dunning-Kruger io. Raha misy olona maromaro ohatra mifaninana hahazo asa iray dia izay mahatoky tena indrindra amin’ny ankapobeny no mahazo ilay asa. Matetika anefa dia izy ireny koa no votsa indrindra amin’ireo mpitady asa. Torak’izany koa: ny mpanakanto tsy dia manantalenta fa mahatoky tena matetika no lasa misongadina na lasa ‘star’, fa ny tena tsara feo sy mahafehy mozika kosa dia misafidy ny zorombala hatrany.

Afaka ampiharina mivantana eo amin’ny sehatra politika eto Madagasikara koa io lojika io hanazavana ny tsy fahombiazan’ireo fitondrana nifanesy teto: Ireo olona izay tsy dia mahay loatra no sahy miditra ho mpanao politika; ny mpanao politika tsy dia mahay loatra no lasa sahisahy hilatsaka ho fidiana amin’ny toerana ambony; ary ny kandida tsy dia mahay loatra no mampiseho fahatokisantena lavitry ny hambahamba ka manintona ny fon’ny mpifidy. Asa raha izany ny hoe mikobana fa feno tapany.

Ny Malagasy moa voalaza fa olon’ny fo ka izay mambabo ny fony no fidiany fa tsy izay lanin’ ny sainy. Ny tena fahaizan’ny kandida tsirairay rahateo moa tsy hita eo no ho eo ary tsy ho voatsara raha tsy efa aorian’ny fifidianana fa ny fahatokisantena no hita sy tsapan’ny mpifidy. Dia iny no entiny hanaovana ny safidiny. Mety ho sarotra amin’ny mpifidy arak’izany ny manavaka ny kandida tena-mahay-ka-mahatoky-tena (kisary: tendropika atsinanana) amin’ny kandida tsy-alehany-kanefa-mahatoky-tena (kisary: tendropika andrefana).

Resy lahatra tanteraka izahay fa be dia be ny olona hendry sy manana ny fahaizana sy ny traikefa ilaina hampandrosoana an’i Madagasikara. Saingy betsaka amin’ireny no tsy sahy “manao politika” satria mihevitra fa tsy voafehiny tsara io taranja io ka aleony manaja tena. Ary na manao politika aza izy dia mety miambakavaka sy votsavotsa firesaka satria tsy tena matoky tena ka tsy lasa lavitra loatra. Dia mety ho aleon’ny olompirenena mifidy ny kandida manao belazao mivarotra nofy fa mampiseho fahatokisantena (kisary: tendropika andrefana) toa izay hifidy olona mimpirimpirina sy mihambahamba (kisary: ampovoany)

Dia izay angamba no mahatonga ilay hoe tsy izay tena mety hahavita azy no tonga eo amin’ny fitondrana fa olona manandrakandrana sady tsy dia mahay foana. Teoria ihany io fa tsy fantatra ny fahamarinany. Fa raha marina io dia tsy mahagaga raha olona be resaka fa tsy hahavita n’inon’inona foana no ho lany hitondra an’i Madagasikara na hifidy impolokely eo aza isika.

.  .  .

Ho avy izao ny fihodinana faharoa amin’ ny fifidianana filohampirenena ary efa tondraka sahady ny bala rora sy ny kobaka am-bava.

Kandida roalahy mianaka no hisafidianana ary samy mihevitra ny tenany ho mahay mitantana sy maranintsaina na ny andaniny na ny ankilany. Samy milaza fa katraka ary manana ny fanalahidin’ny fampandrosoana sy ny ady amin’ny fahantrana. Samy mampiseho fahatokisantena tsy manampahataperana ireo kandida ireo.

Izany fahatokisantena izany akory tsy voatery midika fahaizana mitantana ny raharaham-pirenena. Ka eo indrindra isika izao: Dia ahoana no anavahana na ahatokisana fa izatsy safidy no mety kokoa noho izaroa?

Raha ho ankinina manontolo amin’ny resaka fahatokisantena ihambon’ny kandida roalahy mianaka 13 sy 25 ny safidin’ny olompirenena tsirairay, dia asa indray izay hanjo antsika. Tonga angamba ny fotoana hampandeferana kely ny fo ary hanandratana kokoa ny saina hahamatotra ny safidy. Mila masontsiavana voafantina izay azo hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto :

  • iza amin’ny roa tonta no mahay-tena-mahay fa tsy bado-mihevi-tena-ho-mahay fotsiny?
  • inona no zavatra mivaingana izay azo itarafana ny traikefa na fahaiza-mitantana ananany?
  • iza no nahay nisintona lesona sy nanetry tena tamin’ny vita taloha ka sahy nanova famindra?
  • iza no manome lanja ny fihavanana sy ny firaisankina ary tsy mampirisika ny fisaraham-bazana?
  • iza no manana tetika na vina matotra sy azo tanterahina anatin’ny fotoana voafetra tsy nofinofy misavoandanitra fotsiny?

Sopapa sy torohevitra ihany ireo. Mety mihoatra, mety tsy ho ampy, fa ny irariana dia samy hihezaka hamakafaka sy handalina kokoa momba kandida tsirairay ny mpifidy fa tsy hitelina ambongadiny na handray ambolony fotsiny ny volazan’ny kabary ambony vavahady sy ny takoritsika ambany ravinkazo. Toa ny fitsarana bakalaorea ihany io, samy omeo ny coefficient sahaza azy avy ireo masontsivana tsirairay ireo. Ka raha tianao homena lanjan’isa avo kokoa nohon’ny hafa ny masontsivana iray raha izay no mahadiavolana ny sainao dia ataovy. Fa aza adino fa ny salanisa no mamaritra ny fahafahana bakalorea fa tsy naoty amin’ ny taranja iray ihany. Ka na 13 na 25 no homarihanao X ao anaty bileta tokana, ny irariana dia io salanisa io no ijoroan’ ny safidinao fa tsy sanatria ny fo rano mafana.

 

Lire l’article en PDF : Safidy Matotra Sady Tsy Miangatra

Lien :

Soamiely Andriamananjara

Soamiely Andriamananjara grew up in Antananarivo, lives in Washington DC. An economist by profession, he writes short stories and essays on different aspects of Malagasy society, mainly in Malagasy and English.

Soamiely Andriamananjara

Soamiely Andriamananjara grew up in Antananarivo, lives in Washington DC. An economist by profession, he writes short stories and essays on different aspects of Malagasy society, mainly in Malagasy and English.

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Comité de Rédaction